Araka ny fandinihana nataon’ny manam-pahaizana angilisy iray Adrian White mikasika ny fahasambarana dia ry zareo any Danemark no mponina sambatra indrindra amin’ny firenena 178 eto an-tany. Mba ahatongavany amin’izany filaharana izany dia noraisiny ny fahasalamana (santé), ny harena (richesse), ny fampianarana (education), ny fototra ijoronan’ny firenena (identité nationale), ny hatsaran’ny voatr’andriamanitra (beauté des paysages) dia nahotrakotrany mafy tamin’ny “mixer” (miampy analyse maha lasa adala ny mbola hendry) dia namoaka io filaharana io. Gaigy an!!

Isika malagasy dia faha 103 ny firenena sambatra eto an-tany! Hihihihii!!!hihihihi!! ao aoriana kely ny Comores (faha 97) sy aloha kelin’ I Coree du Sud (faha 104) sy Afrique du Sud (faha 110)…

Efa milaza aminareo nge izaho hoe sambatra isika fa mba mifalia ah! Mba mahagaga ahy ny tsy ankalazain’ny gazetim-panjakana io vaovao Tsara b io!! (hihihih!!!). Na koa ny tsy anaovan’ny sasany tafa sy dinika miara amin’ny mpanao gazety momba io vaovao goavana be io (sa miandry fiverenana…)????

Za ary saika hiteny hoe faha 103 fotsiny ve lety eh? Raha ampiarahana ahotrana marina mantsy ny hatsarana sy fahamoran’ny fitsaboana eto madagasikara, ireo harena b miavosa etsy sy ireo ireo (4X4 eh! villa Masaka b eh! fiara maro,…) miampy ity fomba fampianarana raitra be vaovao ity (sy ny fahaizan’ny ankizy izay nahavita fianarana), manginy fotsiny hoe isika mampiasa teny iray ikambanana dia ny malagasy izany, sy tsy mba mieritreritra hoe tanindrana sy ambaniandro izany (inona izany???), ny hatsaran’ny moron-tsiraka, tsingy, baobab maro, rova manjakamiadana, …. Sns maro hafa dia tena mahagaga hoe faha 103 fotsiny ve isika? Sao d mba misy diso ny ady sanina ataonao r’ingahy White marina??

Dia mba ahoana marina ny mba tena ao an-tsain’ilay mpikaroraka amin’io eh?

Azo fehezina sy alahatra ve izany atao hoe fahasambarana izany? R’efa inona moa no atao hoe sambatra ny mponina ao amin’ny firenena iray?

Raha ohatra ka hoe « il y a quelque chose de pourri au royaume de Danemark » hoy Shakespeare nefa izy mbola voalohany, d ahoana izany ny eto amintsika mbola ratsy lavitra noho ny “pourri”,,,, sa mety mifamadika kosa an!!

Esy eh! “sambatra aho, sambatra aho, afaka ny gadrako…..”

Enao v sambatra? …..

Ireo sambatra indrindra fa hatramin’ny tsy sambatra indrindra :

  • Danemark
  • Suisse
  • Autriche
  • Islande
  • Bahamas
  • Finlande
  • Suède
  • Bhoutan
  • Bruneï
  • Canada
  • Irlande
  • Luxembourg
  • Costa Rica
  • Malte
  • Pays-Bas
  • Antigua et Barbuda
  • Malaisie
  • Nouvelle-Zélande
  • Norvège
  • Seychelles
  • Saint Christophe et Niévès
  • Emirats Arabes Unis
  • Etats-Unis
  • Vanuatu
  • Venezuela
  • Australie
  • Barbade
  • Belgique
  • Dominique
  • Oman
  • Arabie Saoudite
  • Suriname
  • Bahrein
  • Colombie
  • Allemagne
  • Guyana
  • Honduras
  • Koweït
  • Panama
  • Saint Vincent et Grenadines
  • Royaume-Uni
  • République Dominicaine
  • Guatemala
  • Jamaïque
  • Qatar
  • Espagne
  • Sainte Lucie
  • Bélize
  • Chypre
  • Italie
  • Mexique
  • Samoa
  • Singapour
  • Iles Salomon
  • Trinité et Tobago
  • Argentine
  • Fidji
  • Israël
  • Mongolie
  • Sao Tomé et Principe
  • El Salvador
  • France
  • Hong Kong
  • Indonésie
  • Kirghizstan
  • Maldives
  • Slovénie
  • Taïwan
  • Timor Leste
  • Tonga
  • Chili
  • Grenade
  • Ile Maurice
  • Namibie
  • Paraguay
  • Thaïlande
  • République Tchèque
  • Philippines
  • Tunisie
  • Ouzbékistan
  • Brésil
  • Chine
  • Cuba
  • Grèce
  • Nicaragua
  • Papouasie Nouvelle-Guinée
  • Uruguay
  • Gabon
  • Ghana
  • Japon
  • Yémen
  • Portugal
  • Sri Lanka
  • Tadjikistan
  • Vietnam
  • Iran
  • Comores
  • Croatie
  • Pologne
  • Cap Vert
  • Kazakhstan
  • Madagascar
  • Corée du Sud
  • Bangladesh
  • République du Congo
  • Gambie
  • Hongrie
  • Libye
  • Afrique du Sud
  • Cambodge
  • Equateur
  • Kenya
  • Liban
  • Maroc
  • Pérou
  • Sénégal
  • Bolivie
  • Haïti
  • Népal
  • Nigéria
  • Tanzanie
  • Bénin
  • Botswana
  • Guinée-Bissau
  • Inde
  • Laos
  • Mozambique
  • Palestine
  • Slovaquie
  • Birmanie
  • Mali
  • Mauritanie
  • Turquie
  • Algérie
  • Guinée Equatoriale
  • Roumanie
  • Bosnie-Herzégovine
  • Cameroun
  • Estonie
  • Guinée
  • Jordanie
  • Syrie
  • Sierra Léone
  • Azerbaïdjan
  • République Centrafricaine
  • Macédoine
  • Togo
  • Zambie
  • Angola
  • Djibouti
  • Egypte
  • Burkina Faso
  • Ethiopie
  • Lettonie
  • Lithuanie
  • Ouganda
  • Albanie
  • Malawi
  • Tchad
  • Côte d’Ivoire
  • Niger
  • Erythrée
  • Rwanda
  • Bulgarie
  • Lesotho
  • Pakistan
  • Russie
  • Swaziland
  • Géorgie
  • Bélarus
  • Turkménistan
  • Arménie
  • Soudan
  • Ukraine
  • Moldavie
  • République Démocratique du Congo
  • Zimbabwé ary farany dia ry zareo sakaiza Burundi

Ankamantatra :

Nisy zaza kely vao teraka enim-bolana dia maty, fa nahoana ary ?

Valiny : satria Vita sinoa

Tsssss !!!! mba marina kosa hoe ! marina fa malemy sy mora simba ny vita sinoa fa na izany aza v !!!!

Vao naheno ilay resaka Ronono sinoa mivadika iny izaho dia tonga dia io ankamantatra io no tao an-tsaiko. Fa ry zalahy sinoa ireto ange ka tena gaigy mihitsy eh ! diso misaina loatra ry zalahy hany ka hatramin’ny sakafon’ankizy avy no tafiditry ny melamine marina !! mety hoe ratsy saina b angamba za ra mieritreritra hoe raha mba any chine any irery ihany moa no tratran’io Ronono nivadika ôrera io maninona !!!

Ny tena tahotro dia hoe amin’ny ireto entana sinoa mitobaka eran’ny lalana ireto (sy manimba ny toe-karena malagasy), iza moa no sahy hilaza fa hoe tsy misy amin’ireo koa no misy poizina any anatiny !!! nilaza ry zareo sinoa fa misy firenena afrikana nandefasan’dry zareo ireo ronono ireo, fa tsy voatonona tao akory ny firenentsika ouf !!! fa azo inoana v izany ?? Inona moa ny entana sinoa no tsy hita eny an-tsena : manomboka amin’ny kely indrindra (fanjaitra) ka hatramin’ny ngeza indrindra (fiara,…) tsy lazaina intsony ny akanjo sy ny kojakoja maro samihafa…..

Araka ilay nolazain’ilay raim-pianakaviana iray izay hoe « ka ny entana sinoa kosa ange mora eh ! », eny ary koa fa aza adino « ….. fa ny mora ange tsy tsara sy mateza eh ! » zao lasa asiana koa hoe « …. Ny mora tsy mahasalama eh ». Sao lahy ka mitady tombony ka hatombony. Im-piry im-piry moa isika no efa lagy mihitsy hoe simba sahady le entana sinoa fa eh !eh !

Tsy aleo v mba miaritra kely dia mividy zavatra tsara sy vita gasy eh ! (mba manome asa ny malagasy sy mampandroso ny toe-karena malagasy).

Izaho aloha dia raha mbola vitako dia tsy mividy zavatra sinoa izany eh ! …

Salanitra!

Araka ilay ohabolana afrikana hoe ” Quand un vieillard meurt, c’est une bibliotheque qui disparait”. Tena marina tokoa io satria dia very olo-manga ny firenena taminy nahalasa an’i Rado iny!

Ny ahy ity tonon-kira iray nosoratany ity no tena mba tiako indrindra amin’ireo sangan’asany nosoratany ka dia mba zaraiko aminareo

Aza avela hahalala!

Aza avela hahalala
ny antony nanaovanao
ny hariva mamanala,
sy ireo maraina vao

Tsy ho takatry ny saiko
izay rehetra lahatrao
ny angatahiko ry raiko
aoka aho hahatoky anao

Aza avela hanontany
Ny hafaliana atolotrao
Na ny anton’ny tomany
Efa nitako hatrizao

Aza avelanao hanefy
ny ampitso ‘zay anao
aza avelanao hendrefy
‘Zay ho fitantananao

(Rado)

Teny ambony fiara-karetsaka hande hiasa aho omaly no sendra nahita fiara vaovao sy tsara be an’ny masoivoho vahiny iray izay, dia toran’ny hehy irery aho nahita ilay fiara ka nanontany ahy ilay mpamilin’ilay fiara-karetraka hoe « salama v ramose ? » sady gaga izy !

Eny ! hoy aho namaly « mazava ho azy !! »

Tsy hoe akory tanavo vao miakatra ny tana-dehibe ny tenako ka vao mahita fiara tsara sy vaovao dia mihomeny fa ny nampihomehy sy naha lasa saina ahy dia ilay izy …… misy familiana an-kavia!!

Araka ny lalana vao nivoaka mantsy dia noho ny fitomboan’ny lozam-piarakodia tato ho ato sy mba hitandrovana ny mponina (sic!!) dia voarara ny mitondra fiara izay misy familiana an-kavia ato ho ato !!! (hihihihih!!!!),

Tsy haiko na hoe firy isan-jato ny fiara mande eto Madagasikara no misy familiana an-kavia (mety ho an’ny amin’ny 0,05% any angamba raha betsaka indrindra), na koa hoe firy isan-jato amin’ireo fiara misy familiana an-kavia ireo no nanao lozam-pifamoivoizana tato ho ato? Fa dia ny hitako aloha dia hoe ho rarana izy ireny atsy ho atsy!!

Dia mba lasa ihany ny saiko hoe mba tsy misy asa firy ary ve ry zalahy ao amin’ny Ministera ny fitanterana ao sa mba manala azy fa vacance ny andro no dia “ any aminy tsy mivonto no manaintaina “ hoy ny fitenenan’ny mpaka maro izay. Satria tokoa mantsy ohatra ny mampihomehy ihany raha toa ka hoe noho ny fisian’ny fiara misy familiana an-kavia no mahabetsaka ny lozam-pifamoivoizana!!!

Dia raha ohatra izany enao manana fiara misy familiana an-kavanana ka tsy tsara kojakoja ny fiaranao sady mandeha mafy enao no manao taingim-be no sady mamo no tsy misy assurance dia tsy atahorana firy noho ilay fiara misy familiana an-kavia tsara kojakoja sy mande mora?????

Mety hoe “atsimo sy avaratra” be angamba ny fampitahana ataoko fa ny tiako atongavana dia ny hoe “lafo be ve ra mba misaina kely aloha vao mandray fanapahan-kevitra eh!!!”; aina firy zao no ho avotra amin’io lalana vaovao io? Hihena firy isan-jatony izao ny lozam-pifamoivoizana aorian’io lalana io? Tsy misy fanapahan-kevitra hafa mety hampihenana ny isan’ny lozam-pifamoivoizanan ankoatra an’io ve? Dia ra misy dia maninona no tsy izany no ampiarina aloha? Tena handaitra marina v io lalana io?……

Mampatsiahy ahy ilay fandrarana noraisina momba ny “vitre fumé” mba hampihenana ny halatra sy ny forongony ity resaka ity marina. Nankalazaina tetsy sy teroa hoe tsy azoa tao intsony ny manisy “vitre fumé “ eh! Asaina asorona izay efa napetraka eh!….dokotra vorontsi-loza eh!!!! nefa inona akory no zany eo!! Efa firy volana izay iny resaka iny (18 volana fara faha-keliny) nefa jereo ireo fiara feno eny an-dalana mbola misy “vitre fumé” sa an’ny manam-pahefana daholo izy ireny? Ary tsy ny fahefana ihany no ananan’dry zalahy izany fa ny fiara ko an!!! (Mazava ho azy, aiza ary za zany!!!) mbola tantara hafa indray iny…..

Miverina amin’ilay fiaran’ny masoivoho vahiny teo ny saiko! Dia atao ahoana izany ireo fiara ireo avadika daholo ny familiana ve? Sa omena fanomezan-dalana manokana? Sa vahiny sy manam-boninahitra dia tsy atahorana hanao loza dia tsy maninona? Sa……?

Fa ny tena mahatsikaiky ahy dia ilay ranamana izay, ny fiarany sady misy “vitre fumé” no familiana an-kavia!!! Hihihihi!!!! Dia ahoana izy zany???? Ntsôô minoa fotsiny ry akama ah! (sady tsy hita ao anaty “vitre fumé” ange hoe familiana an-kavia ny an’ny akama eh!!! (ouf!!!)

Mandritra izany fotoana rehetra izany dia mitombo ny solika, ny vary, ny menaka, ….. ny zavatra rehetra eh! ankoatra ny karama mazava ho azy!!

Efa hoe “any aminy tsy mivonto no manaintaina “ hoy aho aminareo!

Salanitra!

09Sep08

Tonga soa eto amin’ity blaogy ity, sehatra iray mba hi-tafasirintsika momba ireo eritreritra sendra nandalo rehetra ara-politika, toe-karena, sosialy, fanatanjaha-tena, finoana ….

« Le pessimiste se condamne a être spectateur » hoy i Goethe, koa mba tsy ho mpijery baolina sy ho vonto-fo ary ho tapaka lalan-dra amin’ity fiainana ity dia aleoko mba eto amin’ity blaogy ity no mba maneho ireo embona sy hanina ary hevitra eh !

Mitondra makaiza nefa izany ? Asa !! ny ampitso no hamaly izany fa ny fantatro aloha dia ny hoe “Ny hevitry ny maro maha-taka-davitra” ary tsara sy mampazoto ary lasa lavitra kokoa ny «Miasa mafy, Miasa tsara, Miasa foana » raha hifampizarana sy hifandinihana aloha ny hevitra sa ahoana hoy enao ?

Mazava ho azy fa tsy voatery hitovy hevitra isika satria ny hevitra tera-bary ka samy manana ny hanitra no azy fa saingy ny fifanajana fotsiny no zava-dehibe.

Koa dia mirary vaki-blaogy tsara ary eh !



Archives