Archive for September, 2008
Araka ny fandinihana nataon’ny manam-pahaizana angilisy iray Adrian White mikasika ny fahasambarana dia ry zareo any Danemark no mponina sambatra indrindra amin’ny firenena 178 eto an-tany. Mba ahatongavany amin’izany filaharana izany dia noraisiny ny fahasalamana (santé), ny harena (richesse), ny fampianarana (education), ny fototra ijoronan’ny firenena (identité nationale), ny hatsaran’ny voatr’andriamanitra (beauté des paysages) dia […]
Vita sinoa vs Vita gasy
Ankamantatra : – Nisy zaza kely vao teraka enim-bolana dia maty, fa nahoana ary ? – Valiny : satria Vita sinoa Tsssss !!!! mba marina kosa hoe ! marina fa malemy sy mora simba ny vita sinoa fa na izany aza v !!!! Vao naheno ilay resaka Ronono sinoa mivadika iny izaho dia tonga dia io ankamantatra io no tao an-tsaiko. […]
Salanitra! Araka ilay ohabolana afrikana hoe ” Quand un vieillard meurt, c’est une bibliotheque qui disparait”. Tena marina tokoa io satria dia very olo-manga ny firenena taminy nahalasa an’i Rado iny! Ny ahy ity tonon-kira iray nosoratany ity no tena mba tiako indrindra amin’ireo sangan’asany nosoratany ka dia mba zaraiko aminareo Aza avela hahalala! Aza […]
Teny ambony fiara-karetsaka hande hiasa aho omaly no sendra nahita fiara vaovao sy tsara be an’ny masoivoho vahiny iray izay, dia toran’ny hehy irery aho nahita ilay fiara ka nanontany ahy ilay mpamilin’ilay fiara-karetraka hoe « salama v ramose ? » sady gaga izy ! Eny ! hoy aho namaly « mazava ho azy !! » Tsy hoe akory tanavo vao miakatra ny tana-dehibe […]
Salanitra!
Tonga soa eto amin’ity blaogy ity, sehatra iray mba hi-tafasirintsika momba ireo eritreritra sendra nandalo rehetra ara-politika, toe-karena, sosialy, fanatanjaha-tena, finoana …. « Le pessimiste se condamne a être spectateur » hoy i Goethe, koa mba tsy ho mpijery baolina sy ho vonto-fo ary ho tapaka lalan-dra amin’ity fiainana ity dia aleoko mba eto amin’ity blaogy ity […]