Vita sinoa vs Vita gasy
Ankamantatra :
– Nisy zaza kely vao teraka enim-bolana dia maty, fa nahoana ary ?
– Valiny : satria Vita sinoa
Tsssss !!!! mba marina kosa hoe ! marina fa malemy sy mora simba ny vita sinoa fa na izany aza v !!!!
Vao naheno ilay resaka Ronono sinoa mivadika iny izaho dia tonga dia io ankamantatra io no tao an-tsaiko. Fa ry zalahy sinoa ireto ange ka tena gaigy mihitsy eh ! diso misaina loatra ry zalahy hany ka hatramin’ny sakafon’ankizy avy no tafiditry ny melamine marina !! mety hoe ratsy saina b angamba za ra mieritreritra hoe raha mba any chine any irery ihany moa no tratran’io Ronono nivadika ôrera io maninona !!!
Ny tena tahotro dia hoe amin’ny ireto entana sinoa mitobaka eran’ny lalana ireto (sy manimba ny toe-karena malagasy), iza moa no sahy hilaza fa hoe tsy misy amin’ireo koa no misy poizina any anatiny !!! nilaza ry zareo sinoa fa misy firenena afrikana nandefasan’dry zareo ireo ronono ireo, fa tsy voatonona tao akory ny firenentsika ouf !!! fa azo inoana v izany ?? Inona moa ny entana sinoa no tsy hita eny an-tsena : manomboka amin’ny kely indrindra (fanjaitra) ka hatramin’ny ngeza indrindra (fiara,…) tsy lazaina intsony ny akanjo sy ny kojakoja maro samihafa…..
Araka ilay nolazain’ilay raim-pianakaviana iray izay hoe « ka ny entana sinoa kosa ange mora eh ! », eny ary koa fa aza adino « ….. fa ny mora ange tsy tsara sy mateza eh ! » zao lasa asiana koa hoe « …. Ny mora tsy mahasalama eh ». Sao lahy ka mitady tombony ka hatombony. Im-piry im-piry moa isika no efa lagy mihitsy hoe simba sahady le entana sinoa fa eh !eh !
Tsy aleo v mba miaritra kely dia mividy zavatra tsara sy vita gasy eh ! (mba manome asa ny malagasy sy mampandroso ny toe-karena malagasy).
Izaho aloha dia raha mbola vitako dia tsy mividy zavatra sinoa izany eh ! …
17,603 Responses to “Vita sinoa vs Vita gasy”