Salanitra!

09Sep08

Tonga soa eto amin’ity blaogy ity, sehatra iray mba hi-tafasirintsika momba ireo eritreritra sendra nandalo rehetra ara-politika, toe-karena, sosialy, fanatanjaha-tena, finoana ….

« Le pessimiste se condamne a être spectateur » hoy i Goethe, koa mba tsy ho mpijery baolina sy ho vonto-fo ary ho tapaka lalan-dra amin’ity fiainana ity dia aleoko mba eto amin’ity blaogy ity no mba maneho ireo embona sy hanina ary hevitra eh !

Mitondra makaiza nefa izany ? Asa !! ny ampitso no hamaly izany fa ny fantatro aloha dia ny hoe “Ny hevitry ny maro maha-taka-davitra” ary tsara sy mampazoto ary lasa lavitra kokoa ny «Miasa mafy, Miasa tsara, Miasa foana » raha hifampizarana sy hifandinihana aloha ny hevitra sa ahoana hoy enao ?

Mazava ho azy fa tsy voatery hitovy hevitra isika satria ny hevitra tera-bary ka samy manana ny hanitra no azy fa saingy ny fifanajana fotsiny no zava-dehibe.

Koa dia mirary vaki-blaogy tsara ary eh !