Salanitra!
Araka ilay ohabolana afrikana hoe ” Quand un vieillard meurt, c’est une bibliotheque qui disparait”. Tena marina tokoa io satria dia very olo-manga ny firenena taminy nahalasa an’i Rado iny!
Ny ahy ity tonon-kira iray nosoratany ity no tena mba tiako indrindra amin’ireo sangan’asany nosoratany ka dia mba zaraiko aminareo
Aza avela hahalala!
Aza avela hahalala
ny antony nanaovanao
ny hariva mamanala,
sy ireo maraina vao
Tsy ho takatry ny saiko
izay rehetra lahatrao
ny angatahiko ry raiko
aoka aho hahatoky anao
Aza avela hanontany
Ny hafaliana atolotrao
Na ny anton’ny tomany
Efa nitako hatrizao
Aza avelanao hanefy
ny ampitso ‘zay anao
aza avelanao hendrefy
‘Zay ho fitantananao
(Rado)
1,184 Responses to “May, Very ny Tranom-bakoka lehibe iray teto Madagasikara!”