Teny ambony fiara-karetsaka hande hiasa aho omaly no sendra nahita fiara vaovao sy tsara be an’ny masoivoho vahiny iray izay, dia toran’ny hehy irery aho nahita ilay fiara ka nanontany ahy ilay mpamilin’ilay fiara-karetraka hoe « salama v ramose ? » sady gaga izy !

Eny ! hoy aho namaly « mazava ho azy !! »

Tsy hoe akory tanavo vao miakatra ny tana-dehibe ny tenako ka vao mahita fiara tsara sy vaovao dia mihomeny fa ny nampihomehy sy naha lasa saina ahy dia ilay izy …… misy familiana an-kavia!!

Araka ny lalana vao nivoaka mantsy dia noho ny fitomboan’ny lozam-piarakodia tato ho ato sy mba hitandrovana ny mponina (sic!!) dia voarara ny mitondra fiara izay misy familiana an-kavia ato ho ato !!! (hihihihih!!!!),

Tsy haiko na hoe firy isan-jato ny fiara mande eto Madagasikara no misy familiana an-kavia (mety ho an’ny amin’ny 0,05% any angamba raha betsaka indrindra), na koa hoe firy isan-jato amin’ireo fiara misy familiana an-kavia ireo no nanao lozam-pifamoivoizana tato ho ato? Fa dia ny hitako aloha dia hoe ho rarana izy ireny atsy ho atsy!!

Dia mba lasa ihany ny saiko hoe mba tsy misy asa firy ary ve ry zalahy ao amin’ny Ministera ny fitanterana ao sa mba manala azy fa vacance ny andro no dia “ any aminy tsy mivonto no manaintaina “ hoy ny fitenenan’ny mpaka maro izay. Satria tokoa mantsy ohatra ny mampihomehy ihany raha toa ka hoe noho ny fisian’ny fiara misy familiana an-kavia no mahabetsaka ny lozam-pifamoivoizana!!!

Dia raha ohatra izany enao manana fiara misy familiana an-kavanana ka tsy tsara kojakoja ny fiaranao sady mandeha mafy enao no manao taingim-be no sady mamo no tsy misy assurance dia tsy atahorana firy noho ilay fiara misy familiana an-kavia tsara kojakoja sy mande mora?????

Mety hoe “atsimo sy avaratra” be angamba ny fampitahana ataoko fa ny tiako atongavana dia ny hoe “lafo be ve ra mba misaina kely aloha vao mandray fanapahan-kevitra eh!!!”; aina firy zao no ho avotra amin’io lalana vaovao io? Hihena firy isan-jatony izao ny lozam-pifamoivoizana aorian’io lalana io? Tsy misy fanapahan-kevitra hafa mety hampihenana ny isan’ny lozam-pifamoivoizanan ankoatra an’io ve? Dia ra misy dia maninona no tsy izany no ampiarina aloha? Tena handaitra marina v io lalana io?……

Mampatsiahy ahy ilay fandrarana noraisina momba ny “vitre fumé” mba hampihenana ny halatra sy ny forongony ity resaka ity marina. Nankalazaina tetsy sy teroa hoe tsy azoa tao intsony ny manisy “vitre fumé “ eh! Asaina asorona izay efa napetraka eh!….dokotra vorontsi-loza eh!!!! nefa inona akory no zany eo!! Efa firy volana izay iny resaka iny (18 volana fara faha-keliny) nefa jereo ireo fiara feno eny an-dalana mbola misy “vitre fumé” sa an’ny manam-pahefana daholo izy ireny? Ary tsy ny fahefana ihany no ananan’dry zalahy izany fa ny fiara ko an!!! (Mazava ho azy, aiza ary za zany!!!) mbola tantara hafa indray iny…..

Miverina amin’ilay fiaran’ny masoivoho vahiny teo ny saiko! Dia atao ahoana izany ireo fiara ireo avadika daholo ny familiana ve? Sa omena fanomezan-dalana manokana? Sa vahiny sy manam-boninahitra dia tsy atahorana hanao loza dia tsy maninona? Sa……?

Fa ny tena mahatsikaiky ahy dia ilay ranamana izay, ny fiarany sady misy “vitre fumé” no familiana an-kavia!!! Hihihihi!!!! Dia ahoana izy zany???? Ntsôô minoa fotsiny ry akama ah! (sady tsy hita ao anaty “vitre fumé” ange hoe familiana an-kavia ny an’ny akama eh!!! (ouf!!!)

Mandritra izany fotoana rehetra izany dia mitombo ny solika, ny vary, ny menaka, ….. ny zavatra rehetra eh! ankoatra ny karama mazava ho azy!!

Efa hoe “any aminy tsy mivonto no manaintaina “ hoy aho aminareo!